<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>805</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Izao rehetra izao dia
 mankalaza Anao,
 Ry Ray Mahery, Tomponay
 tokoa,
 Ny zava-boahary no asan-
 tananao
 Ka tsara indrindra sady soa.

[V2]
 Miondrika aminao izahay
 madinikao
 Midera Anao, ry Rainay be
 fitia !
 Ampio izahay, ary mba
 arovinao
 Ny fonay mba tsy haniasia.

[V3]
 Ry Rainay be fiantra, tariho
 izahay
 Ho tonga zaza tia ny mazava,
 Hifaly ao an-danitra ao
 rahatrizay
 Ho sambatra any lalandava.</lyrics>
<title>Izao rehetra izao dia mankalaza Anao FFPM805</title>
<author>C.E.F. Weyse</author>
</song>